dimanche 19 avril 2026

MOFON'AINA 20/04/26

1 KORINTIANA 15 : 24 - 28

MPANDRESY NY TOMPO 

        Taratasin'i PAOLY ho , an'ny mpino KORINTIANA...
~ Fa ny fitsanganana amin'ny maty dia , ho antsika Kristiana...
~ Satria ny fahafatesana , efa noresena...
~ Koa izay mino AZY ho sambatra , raha ety antany mahonena...

~ Ambarany mazava fa , an'Andriamanitra irery ihany...
~ Ny fahefana rehetra , any an-danitra sy ety an-tany...
~ Koa ny fankatoavana AZY, efa nasehon'i JESOA...
~ Nanetritena sy niaritra , fahoriana mafy tokoa...

.

>> Ny HAFATRA zaraina , ho antsika ankehitriny...
~ MPANDRESY NY TOMPO koa , katsaho ny fitahiaNy...
~ Mandresy IZY ka afaka , mamonjy antsika...
~ Amin'ireo olana isankarazany toa , tsy mety tapitra sy tsy ritra...

>> MPANDRESY NY TOMPO izay efa , nandresy fahafatesana...
~ Aza modiana tsy hita , ary ampisao ny fandrenesana...
~ Hihainoana ka hitehirizana ny , sitrapon'Andriamanitra...
~ Hahazoana fiaina-mandrakizay , handovàna lanitra...

>> Ento ho eo amin'i , JESOA avokoa...
~ Izay manahirana amin'ny fiainana , mba hivadika ho soa...
~ Ento ho eo anatrehany , ampanetren-tena...
~ Ny fahavalontsika mpino , azo antoka ho resena...

>> Ny fahafatesana mampahory indrindra , antsika ety...
~ Tsy manan-kery f'efa noresen'i , JESOA KRISTY...
~ Ny sitrapon'Andriamanitra hatrany atao , ka raha sanatria lasa tampoka...
~ Ny fanjakan'i JESOA homeNy antsika , sady tena azo antoka...

.

>> Ny HAFATRA manaraka , tsy tokony ho hadinoina...
~ Aza atao tsinontsinona ny TENY rehetra , izay nohenoina...
~ Ny Teny manambara fa Andriamanitra , irery ihany...
~ No tsy maintsy ANKATOAVINA , amin'ny fiainana eto an-tany...

>> Tandremo ireo sandoka , mamilivily finoana...
~ Ireo milaza ho manana hery miafina , tsy ahoantsy ahoana...
~ Manandratena ho manana ny , maha izy azy indrindra...
~ Ka sanatria ny toeran'i JESOA , tadiaviny alaina na afindra...

>> Aoka hitandrina amin' izay mivavaka , sy manindraindra fatratra...
~ Fikatsahana haren'ny tany sy ny filany , mba ho tonga lafatra...
~ JESOA KRISTY efa niteny ka , ankatoavy izay lazainy...
~ Fa matiantoka izay namory harem-be , nefa very ny ainy...

>> MPANDRESY NY TOMPO , noho ny , antony tokana ihany...
~ Nanaiky ny sitrapon'ny Ray na , tsy maintsy handao ity tany...
~ Ka homem-boninahitra IZY , hiara-hitoetra amin'ny RAY...
~ Isika raha mankatoa koa , handova fiaina-mandrakizay...

.

Ho AN'ANDRIAMANITRA irery ihany anie ny VONINAHITRA.
AMENA 
~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~
I Korintiana 15 : 24 - 28

24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Salamo 110:1).
26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Salamo 8:6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany. 
AMENA.

DIEM 

24 Aorian'izany, dia ho tonga ny farany: hofoanan'i Kristy avokoa ireo fanapahana sy fahefana ary hery manohitra Azy, ka hatolony an'ilay Andriamanitra sady Ray ny Fanjakana.
    25 Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.
    26 Ny fahavalo farany hofoanana dia ny fahafatesana,
    27 fa hoy ny Soratra Masina hoe: Ny zavatra rehetra dia nampaneken'Andriamanitra ho eo ambanin'ny tongony. Kanefa raha ny Soratra Masina milaza hoe: Nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia miharihary fa tsy mba isan'izany Andriamanitra Izay nampanaiky an'i Kristy ny zavatra rehetra.
    28 Ary rehefa nampaneken'Andriamanitra an'i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an'Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin'ny olona rehetra Andriamanitra.
AMENA.

Seigneur Dieu Tout-Puissant, en ce début de semaine, nous venons devant Toi avec des cœurs reconnaissants. Merci pour le souffle de vie, pou...